ROMANA 12-16

ROMANA 12 -16
Tsiahy ny toko I –XI nalaina avy tamin’ny fampianarana nataon’i Pasitera Solohery RAOBINARISON • Voaheloka, na ny jentilisa ratsy fitondran-tena, na ireo mitsara ny hafa, na ny Jiosy izay matoky ny tenany noho ny nanomezana azy nylalàna. Tsy misy afa-miala amin’ny fitsaran’Andriamanitra ny zanak’olombelona na iza izy na iza (1.18-3.20). • Ankehitriny nefa naharihary ao amin’ny Vaovao Mahafaly ny fahamarinan’ Andriamanitra dia ny fahamarinana raisina amin’ny finoana irery ihany (3.21-31) tahaka an’ny Abraham izay no hamarinina tamin’ny finoana (Toko faha4). • Ary satria nohamarinina tamin’ny finoana an’i Kristy Jesoa ny mpino, dia vita fihavanana amin’Andriamanitra; ary dia faly amin’ny fanantenana ny voninahitr’ Andriamanitra(5.1-11). Miseho eto ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra satria fony mbola mpanota isika, hoy i Paoly, dia maty hamonjy antsika i Kristy. Noho izany tokony hatoky ny fitiavany isika satria raha fony fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
ROMANA 12 -16 FAMPAHEREZAN AHO AN’NY NY OLOM-BOAVONJIN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA

Cliquez sur ce lien pour télécharger le fichier

FPMA-SAP-ROMANA 12-16 -malagasy

mai 8, 2018